Fiangonan’Andriamanitra Miray

Tongasoa!

Fiangonan’Andriamanitra Miray – United Church of God – Fikambanana Iraisam-pirenena niforona tamin’ny taona 1995, manaraka ny fampianaran’i Herbert W. Armstrong. Ny iraka tanterahan’ny Fiangonan’Andriamanitra Miray dia ny mitory amin’izao tontolo izao ny Filazantsaran’i Jesosy Kristy — ny vaovao mahafaly ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ho avy– ary manomana vahoaka ho amin’izany. Manana foto-pinoana ijoroany ny fiangonana, ary voarakitra an-tsoratra avokoa ny andinindininy milaza izany. Ny fanazavana fanampiny mirakitra ny iraka tanterahan’ny Fiangonana dia azonao fantarina ato.


Andriamanitra Ray, Jesosy Kristy ary ny Fanahy Masina

Jehovah Andriamanitra Ray dia Fanahy, Izay misy mandrakizay, sady ambony indrindra amin’ny faharanitan-tsaina, ny fitiavana, ny fahamarinana, ny hery ary ny fahefana. Izy ilay namorona ny lanitra sy ny tany ary izay rehetra ao aminy. Tamin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra no nahariany ny zavatra rehetra. Jesosy Kristy no loharanon’aina, sady isiam-piainana. Izy no Mesia, ilay Kristy, Zanak’Andriamanitra velona, notorontoronina tamin’ny Fanahy Masina, ary naterak’i Maria Virjina tamin’ny nofo. Ny Fanahy Masina dia herin’Andriamanitra sy Fanahin’ny fiainana mandrakizay (2 Timoty 1: 7; Efesiana 4: 6, 1 Korintiana 8: 6; Jaona 1: 1-4; Kolosiana 1:16). Nahoana isika no mila ny Fanahy Masina? Tsindrio ity.


“Ary hotorina amin’izao tontolo izao

ity filazantsaran’ny fanjakana ity

ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra,

dia vao ho tonga ny farany.”

(Matio 24:14)