Fiangonan'Andriamanitra Miray

Fiangonan'Andriamanitra Miray, Fikambanana Iraisam-pirenena

Ny Fiangonan'Andriamanitra Miray - United Church of God - dia Fikambanana Iraisam-pirenena niforona tamin'ny taona  1995. Ny iraka tanterahan'ny Fiangonan'Andriamanitra Miray dia ny hitory amin'izao tontolo izao ny Filazantsaran'i Jesosy Kristy --ny vaovao mahafaly ny amin'ny Fanjakan'Andriamanitra ho avy-- ary hanomana olona ho amin'izany Fanjakana izany. 

Ity hafatra ity dia manome fanantenana lehibe ho an'ny zanak'olombelona rehetra, mampahafantatra azy ny tanjom-pisiany, izany hoe, ny antony nahaterahantsika sy ny nahatongavantsika eto an-tany, ary ny momba ny tontolo mahafinaritra rahampitso.


Ny Fiangonan'Andriamanitra Miray eto Madagasikara dia mpikambana ao amin'ny vondrom-paritra Afrika Atsinanana amin'ny United Church of God na Église de Dieu Unie, Fikambanana Iraisam-pirenena. 


Manana foto-pinoana ijoroany ny fiangonana, ary voarakitra an-tsoratra eto ny andinindininy milaza izany.

Fianarana Baiboly


Ambasadaoro Kolejy:

FIANARANA BAIBOLY 

Tsindrio ny rohy raha hanaraka izany ao amin'ny Google na ao amin'ny Canvas. Azonao atao koa ny manaraka ny Fianarana Baiboly isanandro atolotry ny Fiangonan'Andriamanitra Miray, Fikambanana Iraisam-pirenena ho anao ao amin'ny Facebook.

Ny toriteny isan-tsabata dia azonao henoina sy alaina avokoa. Manorata aminay raha mila fanazavana manokana fanampiny ianao. Ny toriteny dia azonao vakiana manontolo koa ato amin'ny tranokala. 

Andriamanitra manan-karem-pahasoavana anie hampitombo fahalalana sy fahendrena antsika rehetra mba hahatratrarana ny tanjona kasainy amintsika tsirairay avy amin'ny alalan'i Jesosy Kristy.

"Mahazoa fahendrena, mahazoa fahalalana; Fa aza hadinoina na ihemorana ny teny aloaky ny vavako. "(Ohabolana 4:5)

Araho ny pejy:

Fanompoana miaramila sy ady

 

Fanompoana miaramila sy ady

Araka ny didin’Andriamanitra, ny Kristiana tsy tokony hanala mivantana na ankolaka ny ain’olombelona, ary ny fitondrana fitaovam-piadiana dia mifanohitra amin’ity foto-pinoana ity. Noho izany, mino izahay fa ny kristiana dia tsy tokony hirotsaka an-tsitrapo eo amin’ny fanompoana amin’ny tafika mitam-piadiana. Nefa raha nampidirina eo amin’ny fanompoam-pirenena tsy araka ny sitrapony izy ireo, mino izahay fa tokony handà hitondra fitaovam-piadiana, amin’ny feon’ny fieritreretany, ary, araka izay azony atao, dia mandà tsy ho eo ambany fahefan’ny tafika (Eksodosy 20:13; Matio 5: 21-22; 1 Korintiana 7: 21-23; Asan’ny Apostoly 5:29). 

Tsindrio ity raha mahaliana anao ny hahalala ny atao hoe “Tena Kristiana”. Tsindrio ity raha maniry hahafantatra ny fomba fiainana kristiana ianao.

"Ary hitsara ny adin'ny jentilisa Izy Ka hampiaiky firenena maro; Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny, Ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely Na hianatra ady intsony" (Isaia 2:4)




Ny fitsanganana amin’ny maty sy ny fitsarana mandrakizay

 

Inona no ambaran’ny Soratra Masina momba ireo fitsanganana amin’ny maty sy ny fitsarana mandrakizay?

Ny hany fanantenana fiainana mandrakizay ho an’ny olombelona mety maty dia ao amin’ny fitsanganana amin’ny maty, noho ny fisian’ny Fanahy Masina ao aminy. Hisy ny fitsanganana amin’ny maty ara-panahy, amin’ny fiverenan’i Jesosy Kristy, ho an’izay rehetra mpanompon’Andriamanitra mahatoky. Aorian’ny ny Fanjakan’i Jesosy Kristy arivo taona eto an-tany, hatsangana amin’ny maty ara-batana (nofo aman-drà) ny ankamaroan’ny olombelona rehetra izay niaina. Ireo olona ireo, rehefa avy nahazo anjara fiainana ara-batana, ary raha miova fo, dia homena fiainana mandrakizay koa. Ireo izay mandà ny famonjena atolotr’Andriamanitra dia hijinja ny fahafatesana mandrakizay (1 Korintiana 15:19, 42-52; Asan’ny Apostoly 23: 6; Jaona 5: 21-29; Romana 6:23; 8: 10-11; 1 Tesaloniana 4:16; Ezekiela 37: 1-14; Apokalypsy 20: 4-5, 11-15; Jaona 3:16; Matio 25:46). 

Tsindrio ity raha mahaliana anao ny momba ny Fitsanganana voalohany. Tsindrio ity raha mahaliana anao ny momba ny Fitsanganana faharoa sy ny Fitsaran’ilay Seza Fiandrianana Fotsy Lehibe. Tsindrio ity raha mahaliana anao ny momba ny Fitsanganana fahatelo sy Fahafatesana faharoa.

"fa vetivety, toy ny indray mipi-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lò intsony, ary isika hovana." (1 Korintiana 15:52)



Ny fiverenan’i Jesosy Kristy sy ny Fanjakan'Andriamanitra ho avy

 

Ny fiverenan’i Jesosy Kristy sy ny Fanjakan'Andriamanitra ho avy

Ny fiverenan’i Jesosy Kristy hita maso izahay, alohan’ny Fanjakana Arivo Taona, mba hanapaka eto an-tany amin’ny maha Mpanjakan’ny mpanjaka Azy, ary hanohy ny asany amin’ny maha-Tompon’ny tompo Azy. Amin’izay fotoana izay, hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida Izy. Mandritra ny arivo taona hanjakany eto an-tany, hamerina amin’ny laoniny ny zava-drehetra Izy, sy hampitoetra ny Fanjakan’Andriamanitra mandrakizay (Matio 24:30, 44; Apokalypsy 1: 7; 11:15; 19:16; 20: 4-6; 1 Tesaloniana 4: 13-16; Jaona 14: 3; Isaia 9: 6; 40: 10-12; Hebreo 7:24; Jeremia 23: 5; Lioka 1: 32-33; Asan’ny Apostoly 1:11; 3:21; 3:16; Daniela 7:14, 18, 27). Tsindrio ity.

"Nefa ny olo-masin'ny Avo Indrindra no hahazo ny fanjakana ary hanana ny fanjakana mandrakizay alaovalo." (Daniela 7:18)



Inona ny fahafolon-karena?

 

Inona ny fahafolon-karena?

Ny fahafolonkarena dia fomba iray hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra amin’ny fananantsika, mamela antsika hanompo Azy amin’ny fanambarana ny Filazantsara, hikarakarana ny Fiangonana, hanatrehana ny firavoravoana masina, sy hanampiana ny sahirana (Ohabolana 3: 9-10; Genesisy 14: 17-20; 1 Korintiana 9: 7-14; Nomery 18:21; Deoteronomia 14: 22-29). Misy telo loha ny fahafolon-karena. 

Tsindrio ity raha mahaliana anao io lohahevitra io. Tsidiho koa ny pejy miresaka momba ny Fanatitra sy Fahafolon-karena amin’ny fanahy vaovao.

"Ary isaorana anie Andriamanitra Avo Indrindra, Izay efa nanolotra ny fahavalonao teo an-tananao. Dia nomen'i Abrama azy ny ampahafolon'ny zavatra rehetra." (Genesisy 14:20)





Inona ny Fiangonana?

 Inona ny Fiangonana?

Ny Fiangonana dia ny vatan’ny mpino izay nandray sy notarihin’ny Fanahy Masina. Ny tena Fiangonan’Andriamanitra dia fikambanana ara-panahy. Ny anarany nomena ao amin’ny Baiboly dia “Fiangonan’Andriamanitra”. Ny iraka nampanaovina ny fiangonana dia ny hitory ny Filazantsara (ny Vaovao Tsara) momba ny Fanjakan’Andriamanitra mba ho tonga amin’ny firenena rehetra ho vavolombelona, ary hanampy ireo izay nantsoina ankehitriny hihavana amin’Andriamanitra. 

Ny iraka nomena ny Fianakavian’Andriamanitra ny manamafy sy mampiorina ary mamahana ny zanak’Andriamanitra amin’ny fitiavana sy araka ny torolalan’i Jesosy Kristy Tompontsika (Asa. 2: 38-39, 47; 20:28; Romana 8:14; 14:19; Efesianina 1: 22-23; 3: 14-15; 4: 11-16; 1: 1-2; 5: 18-20; Galatianina 1:13; 1 Tesaloniana 2:14; 2 Tesaloniana 1: 4; 1 Timoty 3: 5, 15; Marka 16:15; Matio 24:14; 28: 18-20; Jaona 6:44, 65; 17:11, 16). Tsindrio ity raha mahaliana anao ny hahafantatra momba ilay fiangonan’Andriamanitra voalohany. Azonao fantarina koa ny momba ny antom-pisian’ny fiangonana sy ny tanjon’Andriamanitra amin’izany.

"[Ny fitsaran'Andriamanitra ny mpitsara ety an-tany] Salamo nataon'i Asafa. Andriamanitra dia eo amin'ny fiangonan'Andriamanitra; ary eo amin'ireo andriamanitra no itsarany. (Salamo 82:1



Miaraha mivavaka aminay

Ny fotoam-pivavahana eto amin’ny Fiangonan’Andriamanitra Miray dia isaky ny Sabata sy amin’ireo Andro Masina voatendrin’i Jehovah. Manorata aminay raha maniry hiara-mivavaka aminay ianao. Azonao atao ny mandefa e-mail na mandefa hafatra amin’ny Facebook.


Ny Planin'Andriamanitra Mahagaga

 Ny Planin'Andriamanitra Mahagaga

Inona no planin’Andriamanitra ho an’ny zanak’olombelona?

Ny tanjon’Andriamanitra ho an’ny olombelona dia ny manomana ireo izay antsoiny – sy ireo izay misafidy hanana fiainana voatokana handresy ny ota, hampitombo ny toetra marina, ary hitombo ao anatin’ny fahasoavana sy ny fahalalana – ho tompon’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary ho tonga mpanjaka sy mpisorona, hiara-hanjaka amin’i Kristy eto an-tany amin’ny fiverenany.
Ny antom-pisian’ny ny olombelona dia ny hateraka ara-bakiteny ao amin’ny Fianakavian’ Andriamanitra amin’ny maha Fanahy (Romana 6: 15-16; 8: 14-17, 30; Asa. 2:39; 2 Petera 3:18; Apokalypsy 3:5; 5:10) Inona marina ny planin’ny famonjena nataon’Andriamanitra ho antsika olombelona? Tsindrio ity.

"Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik'Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy." (Genesisy 1:27)



Ny teny fikasana nomena an'i Abrahama

 Ny teny fikasana nomena an'i Abrahama

Inona ny teny fikasana nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama?

Maharitra mandrakizay ny fahamarinan’Andriamanitra. Io fahamarinana io dia asehony amin’ny tsy fiovan’ny fahatanterahan’ireo fampanantenana rehetra nomeny an’i Abrahama, rain’ny mino. Arak’izany fampanantenana izany dia nitombo tokoa ny taranak’i Abrahama, ka lasa “rain’ny firenena maro” ara-bakiteny izy. Andriamanitra, araka ny nampanantenainy, dia nampiroborobo ny tarak’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba (izay novany anarany hoe Isiraely taty aoriana). Amin’ny alalan’ny taranak’i Abrahama, Jesosy Kristy, no hanokafan’Andriamanitra varavarana hamonjena ny olona rehetra, na inona na inona fireneny. Koa tsy araka ny fahaterahana ny famonjena.

Afaka mivelatra malalaka amin’ireo olona rehetra antsoin’Andriamanitra ny famonjena; ary ireo izay heverina ho taranak’i Abrahama dia amin’ny finoana, ary mpandova fiainana mandrakizay sy ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireo, araka ny teny fikasana.
Ny fahafantarana fa efa nanatanteraka, sady mbola manatanteraka ny fampanantenana ara-bakiteny tamin’i Abrahama sy ny taranany Andriamanitra, ary koa manatanteraka ny teny fikasany ara-panahy amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, ireo rehetra ireo dia ilaina amin’ny fahazoana ny hafatry ny mpaminany sy ny fampiharana azy amin’izao tontolo iainantsika izao (Sal. 111: 1-10; Romana 4:16; 9: 7-8; Galatiana 3:16; Genesisy 32:28). Andriamanitra dia maniry ny handovantsika ny Fanjakany. Isika nefa dia mila mikatsaka fatratra izany Fanjakan’Andriamanitra izany ary miezaka mitady fahamasinana sy fahamarinana. Raha mahaliana anao, Tsindrio ity.

"ary amin'ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany, satria nanaiky ny teniko ianao." (Genesisy 22:18)


Ny sakafo madio sy maloto

 Ny sakafo madio sy maloto

Misy lalàna ve momba ny sakafo madio sy maloto? 

Ny hena antsoina hoe “maloto” araka ny Levitikosy 11 sy Deoteronomia 14 dia tsy tokony hohanina satria mametaveta ny fanahy ny fihinanana biby maloto. Andriamanitra dia nanome ny lalàna momba ny fanavahana ny biby maloto sy ny biby madio mba hitarika antsika amin’ny fahamasinana sy fiainana. Tsindrio ity raha mikatsaka izany fahamasinana sy fahamarinana izany koa ianao.

"eny, ho fahavetavetana aminareo ireny; tsy ho fihinanareo ny nofony, ary hataonareo ho zava-betaveta ny fatiny." (Levitikosy 11:11)



Ny Batisan’ny rano sy ny fametrahan-tànana

 Ny Batisan’ny rano sy ny fametrahan-tànana

Inona no lazain’ny Baiboly momba ny Batisan’ny rano sy ny fametrahan-tànana?

Aorian’ny fibebahana dia ny batisa no dingana arahina ho amin’ny famonjena. Araka ny Soratra Masina, ny batisa dia amin’ny alàlan’ny fandrobohana ao anaty rano. Amin’ny alàlan’ny fametrahan-tanana sy ny vavaka, dia mandray ny Fanahy Masina ny mpino vita batisa, ary tonga momba ny tenan’i Jesosy Kristy izy (Matio 3:13, 16; Jaona 3:23; Asa. 2:38; 8:14 -17; 19: 5-6; 1 Korintiana 12:13). Tsindrio ity raha mahaliana anao ny hahafantatra be be kokoa momba ny Batisan’ny rano sy ny fametrahan-tànana ao amin’ny lohahevitra hoe “Hafatra mialoha ny Paska”. Tsindrio kosa ny rohy manaraka raha maniry hahafantatra momba Ny Batisan’ny Fanahy Masina ianao.

[Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina] (Marka 16:16)



Inona ny Paskan’i Jehovah?

 

Inona ny Paskan’i Jehovah?

Ny fitandremana ny Paska dia ny harivan’ny andro faha-14 amin’ny volana Abiba, izay tsingerin-taona fahatsiarovana ny nahafatesan’ny Tompontsika (Levitikosy 23: 5; Lioka 22: 13-14). Tsindrio ity raha mahaliana anao ny hahafantatra ny fitandremana ny Paska araka ny nataon’i Kristy sy ny mpianany, araka izay nandidian’i Jehovah ny fiangonan’Andriamanitra. Azonao fantarina koa ny fomba fanomanana ny Paska amin’ireo lohahevitra mialoha an’io.


"Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao ianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika;" (1 Korintiana 5:7)


Ny hateloan’andro sy hateloan’alina

 Inona ny marina momba ny hateloan’andro sy hateloan’alina?

Rehefa maty, Jesosy Kristy dia nalevina tao an-kibon’ny tany. Andriamanitra Ray dia nanangana an’i Jesosy Kristy tamin’ny maty rehefa nilevina hateloan’andro sy hateloan’alina tao am-pasana izy. Izany no nanokatra varavarana ho an’ny olombelona mety maty ho amin’ny fiainana tsy mety maty. Avy eo dia niakatra any an-danitra Izy, ary mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra Ray ankehitriny, ho Mpisolovava sy Mpisoronabe antsika (1 Pet. 1: 17-21; 3:22; Matio 12:40; 1 Korintiana 15:53; 2 Timoty 1:10; Jaona 20:17; Hebreo 8: 1; 12: 2). Tsindrio ity raha mahaliana anao io lohahevitra io.

"fa tahaka ny nitoeran'i Jona hateloan'andro sy hateloan'alina tao an-kibon'ny hazandrano lehibe, dia toy izany no hitoeran'ny Zanak'olona hateloan'Andro sy hateloan'alina ao anatin'ny tany." (Matio 12:40)



Inona ny Fibebahana ary inona ny Finoana?

 

Inona ny Fibebahana ary inona ny Finoana?

Izay rehetra mibebaka amin-kitsimpo amin’ny fahotany, amin’ny fanekena sy fankatoavana tanteraka an’Andriamanitra, ary izay mino an’i Jesosy Kristy amin’ny maha-Mpamonjy azy manokana, dia voavela heloka noho ny fahasoavan’Andriamanitra. Ireo olona ireo dia nohamarinina; Voavela ny sazin’ny ota taminy, ary mahazo fanomezana ny Fanahy Masina izy ireo, izay mitoetra ao aminy ara-bakiteny, sy manome azy ireo ny fitiavan’Andriamanitra, izay hany afaka manatanteraka ny lalàna ary mamokatra ny fahamarinana.
Ny Fanahy Masina no manao batisa ny tena Fiangonan’Andriamanitra, ary izany no mahatonga fiovana eo amin’ny fiainana sy ny toe-tsaina. Izay onenan’ny Fanahy Masina sy tarihiny no an’i Kristy (Asa. 2:38; 3:19; 5: 29-32; 2 Korintiana 7:10; Jaona 3:16; Efesiana 1: 7; 2: 7-9; Romana 3: 21-26; 5: 5; 6: 6; 8: 4, 9-10, 14; Jeremia 33: 8; Jaona 14: 16-17; 1 Korintiana 12: 12-13 ; Filipiana 2: 3-5). Tsindrio ity raha mahaliana anao ny atao hoe “fibebahana” marina.

"Mibebaha ianareo; fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra." (Matio 3:2)



Inona no antony namoronan'Andriamanitra ny olombelona ?

 

Inona no antony namoronan'Andriamanitra ny olombelona ?

Ny olombelona dia noforonin’Andriamanitra araka ny endrik’Andriamanitra. Mety ho tonga zanak’Andriamanitra ny olombelona, ary afaka mandray anjara amin’ny fomban’Andriamanitra. Noforonin’Andriamanitra ho nofo ny olombelona, ary avy amin’ny tany no namoronany azy. Ny fofon’aina no iveloman’ny olona; mety maty izy, iharan’ny fahalovana sy fahafatesana. Izany hoe, tsy manana fiainana mandrakizay ny olombelona, afa-tsy hoe raha manaiky an-tsitrapo ny handray ny fanomezana avy amin’Andriamanitra, araka ny toetra sy ny teny asehon’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.

Andriamanitra dia nametraka safidy teo amin’i Adama sy Eva, ho fiainana mandrakizay raha mankatò an’Andriamanitra, na ho fahafatesana raha manota. Tsy nanohitra ny fakam-panahy Adama sy Eva. Noho izany dia niditra teto amin’izao tontolo izao ny ota. Tamin’ny alalan’ny ota, dia tonga ny fahafatesana. Manjaka amin’ny olombelona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra (Genesisy 1:26; 2 Petera 1: 4; Hebreo 9:27; 1 Korintiana 15:22; Romana 5:12; 6:23). Inona no antony namoronan’Andriamanitra ny olombelona? Tsindrio ity.

"Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika; ary aoka izy hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany." (Genesisy 1:26)



Ilay Satana devoly

 Ilay Satana devoly 

Araka ny Soratra Masina, Satana dia zavatra ara-panahy, ary izy dia fahavalon’ Andriamanitra sy fahavalon’ireo zanak’Andriamanitra. Izy dia nomen’Andriamanitra fahefana hifehy izao tontolo izao mandritra ny fotoana voafetra. Mitaona ny olona handà an’Andriamanitra sy ny lalàn’Andriamanitra izy. Manjaka amin’ny alalan’ny famitahana i Satana, ampian’ny tafik’ireo demony, izay anjely mpikomy nanaraka azy tamin’ny fikomiany (Matio 4: 1-11; Lioka 8:12;
2 Timoty 2:26; Jaona 12:31; 4:11 p.m .; Apokalypsy 12: 4,9; 20: 1-3,7,10; Levitikosy 16: 21-22; 2 Korintiana 4: 4; 11:14; Efesiana 2: 2). Inona no niandohan’i Satana devoly? Inona no zava-nisy sy nitranga talohan’ny Genesisy 1? 

Tsindrio ity raha mahaliana anao ny hahafantatra ny tantaran’ny fikomian’i Satana. 

Tsindrio ity raha mahaliana anao ny momba ny hamatorana an’i Satana amin’ny fiverenan’i Kristy.

Tsindrio ity raha mahaliana anao ny hahafantatra ny hiafaran’i Satana, ilay fototry ny ota sy ny fahafatesana.

Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin'ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy. (Apokalypsy 12:9)

dia nisambotra ilay dragona izy (dia ilay menarana ela, ny devoly sy Satana izany) ka namatotra ary arivo taona, (Apokalypsy 20:2)



Inona ny Sabatan'i Jehovah?

  Inona no Fety nomen’ Andriamanitra? 

Ny fitandremana ireo andro masina fito nodidin’Andriamanitra tamin’ny Isiraely fahiny izahay. Notandreman’i Jesosy Kristy izy ireo, notandreman’ny Apostoly, sy ny Fiangonana tamin’ny Testamenta
Vaovao, ary mbola hotandreman’ny olombelona rehetra mandritra ny Fanjakana Arivo Taona tantanan’i
Jesosy Kristy. Ireo andro masina ireo dia manambara ny Planin’ny Famonjena (Kolosiana 2: 16-17; 1 Petera 1: 19-20; 1 Korintiana 5: 8; 15: 22-26; 16: 8; Jakoba 1:18; Eksodosy 23: 14-17; Levitikosy 23; Lioka 2: 41-42; 22: 14-15; Jaona 7: 2, 8, 10, 14; Asan’ny Apostoly 2: 1; 18:21; 20:16; Zakaria 14: 16-21). Tsindrio ity.


Inona ny Sabata?

Ny andro fahafito amin’ny herinandro dia Sabatan’ny Tompo Andriamanintsika. Amin’ity

andro ity, Andriamanitra mandidy antsika hitsahatra amin’ny asantsika sy hivavaka Aminy, manaraka ny fampianarana sy ny ohatra nomen’i Jesosy, sy ny Apostoly ary ny Fiangonan’ny Testamenta Vaovao (Genesisy 2: 2-3; Eksodosy 20 : 8-11; 31: 13-17; Levitikosy 23: 3; Isaia 58:13; Hebreo 4: 4-10; Marka 1:21; 2: 27-28; 6: 2; Asa 13: 42-44; 17: 2; 18: 4; Lioka 4:31). Tsindrio ity.

"Ary manamasina sy Sabatako, 
mba ho famantarana ho amiko sy ho aminareo, 
ka dia ho fantatrareo fa Izaho no 
Jehovah Andriamanitrareo." 
(Ezekiela 20:20)



Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?

 Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?

Misara-tsaina ny olona noho ilay “Fanjakan’Andriamanitra”. Ny ankamaroan’ny olona tsy dia mihevitra an’io resaka io mihitsy. Ny sasany kosa dia mihevitra fa ao am-pon’ny olona ny Fanjakan’Andriamanitra. Rehefa ho tonga eto an-tany i Kristy dia hamerina indray ilay Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany Izy, mba hiainan’ny olona amin’ny fiadanana sy fifaliana tanteraka. 

Ao am-pon’ny olona ve no haoriny izany Fanjakan’Andriamanitra izany? Ho toy inona marina ny Fanjakan’Andriamanitra? Hanao ahoana no ho firafitr’ilay Fanjakana? Inona no lalàna mifehy ny olona ao? Iza no ho mpanjaka amin’izany Fanjakana izany?

 Inona no hitranga mialoha ny hiavian’i Kristy? Inona no hanjo ireo mpaminany sandoka sy Kristy sandoka ary ireo izay nandray ny mariky ny bibi-dia sy niankohoka eo anoloan’ny sariny mialoha ny Fanjakana Arivo Taona? Tsindrio ity raha mahaliana anao izany.

"Ary ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny harena nafenina tany an-tsaha, izay hitan'olona, ka dia nafeniny; ary noho ny hafaliany dia lasa nandeha izy ka nivarotra ny fananany rehetra, dia nividy izany saha izany." (Matio 13:44)