Fiangonan'Andriamanitra Miray

Fiangonan'Andriamanitra Miray, Fikambanana Iraisam-pirenena

Ny Fiangonan'Andriamanitra Miray - United Church of God - dia Fikambanana Iraisam-pirenena niforona tamin'ny taona  1995. Ny iraka tanterahan'ny Fiangonan'Andriamanitra Miray dia ny hitory amin'izao tontolo izao ny Filazantsaran'i Jesosy Kristy --ny vaovao mahafaly ny amin'ny Fanjakan'Andriamanitra ho avy-- ary hanomana olona ho amin'izany Fanjakana izany. 

Ity hafatra ity dia manome fanantenana lehibe ho an'ny zanak'olombelona rehetra, mampahafantatra azy ny tanjom-pisiany, izany hoe, ny antony nahaterahantsika sy ny nahatongavantsika eto an-tany, ary ny momba ny tontolo mahafinaritra rahampitso.


Ny Fiangonan'Andriamanitra Miray eto Madagasikara dia mpikambana ao amin'ny vondrom-paritra Afrika Atsinanana amin'ny United Church of God na Église de Dieu Unie, Fikambanana Iraisam-pirenena. 


Manana foto-pinoana ijoroany ny fiangonana, ary voarakitra an-tsoratra eto ny andinindininy milaza izany.