Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?

 Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?

Misara-tsaina ny olona noho ilay “Fanjakan’Andriamanitra”. Ny ankamaroan’ny olona tsy dia mihevitra an’io resaka io mihitsy. Ny sasany kosa dia mihevitra fa ao am-pon’ny olona ny Fanjakan’Andriamanitra. Rehefa ho tonga eto an-tany i Kristy dia hamerina indray ilay Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany Izy, mba hiainan’ny olona amin’ny fiadanana sy fifaliana tanteraka. 

Ao am-pon’ny olona ve no haoriny izany Fanjakan’Andriamanitra izany? Ho toy inona marina ny Fanjakan’Andriamanitra? Hanao ahoana no ho firafitr’ilay Fanjakana? Inona no lalĂ na mifehy ny olona ao? Iza no ho mpanjaka amin’izany Fanjakana izany?

 Inona no hitranga mialoha ny hiavian’i Kristy? Inona no hanjo ireo mpaminany sandoka sy Kristy sandoka ary ireo izay nandray ny mariky ny bibi-dia sy niankohoka eo anoloan’ny sariny mialoha ny Fanjakana Arivo Taona? Tsindrio ity raha mahaliana anao izany.

"Ary ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny harena nafenina tany an-tsaha, izay hitan'olona, ka dia nafeniny; ary noho ny hafaliany dia lasa nandeha izy ka nivarotra ny fananany rehetra, dia nividy izany saha izany." (Matio 13:44)