Ny teny fikasana nomena an'i Abrahama

 Ny teny fikasana nomena an'i Abrahama

Inona ny teny fikasana nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama?

Maharitra mandrakizay ny fahamarinan’Andriamanitra. Io fahamarinana io dia asehony amin’ny tsy fiovan’ny fahatanterahan’ireo fampanantenana rehetra nomeny an’i Abrahama, rain’ny mino. Arak’izany fampanantenana izany dia nitombo tokoa ny taranak’i Abrahama, ka lasa “rain’ny firenena maro” ara-bakiteny izy. Andriamanitra, araka ny nampanantenainy, dia nampiroborobo ny tarak’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba (izay novany anarany hoe Isiraely taty aoriana). Amin’ny alalan’ny taranak’i Abrahama, Jesosy Kristy, no hanokafan’Andriamanitra varavarana hamonjena ny olona rehetra, na inona na inona fireneny. Koa tsy araka ny fahaterahana ny famonjena.

Afaka mivelatra malalaka amin’ireo olona rehetra antsoin’Andriamanitra ny famonjena; ary ireo izay heverina ho taranak’i Abrahama dia amin’ny finoana, ary mpandova fiainana mandrakizay sy ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireo, araka ny teny fikasana.
Ny fahafantarana fa efa nanatanteraka, sady mbola manatanteraka ny fampanantenana ara-bakiteny tamin’i Abrahama sy ny taranany Andriamanitra, ary koa manatanteraka ny teny fikasany ara-panahy amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, ireo rehetra ireo dia ilaina amin’ny fahazoana ny hafatry ny mpaminany sy ny fampiharana azy amin’izao tontolo iainantsika izao (Sal. 111: 1-10; Romana 4:16; 9: 7-8; Galatiana 3:16; Genesisy 32:28). Andriamanitra dia maniry ny handovantsika ny Fanjakany. Isika nefa dia mila mikatsaka fatratra izany Fanjakan’Andriamanitra izany ary miezaka mitady fahamasinana sy fahamarinana. Raha mahaliana anao, Tsindrio ity.

"ary amin'ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany, satria nanaiky ny teniko ianao." (Genesisy 22:18)